Aleoko ihany atao hoe adala/Asa izany/ Asakasakareo/Efa fantatrao/Ny foko nanidina /Ampamoizamaso /Manan-taona ka tsy fioty manta /Mama/Milalao fitia/Navelanao/Ny fitiavako/Nankaiza ianao ry lasa /NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /Izy angamba any


MILALAO FITIA

Milalao fitia dia samy mody tia
Dia toy ny tena tia ka sambatra ery.
Dia faly mankafy ka revo sy minia
Manofy be ery fa mamy ilay fitia.

D'indreny miara-dia, miombona, miria…
'Lay fony mifangia maniry ny ho doria.
Fa nilalao fitia dia lasa tena tia
Vao nihemotra satria…
Voafefin-drindrim-by.


DadaRabe (01/05/01)