Aleoko ihany atao hoe adala/Asa izany/ Asakasakareo/Ny foko nanidina /Ampamoizamaso /Manan-taona ka tsy fioty manta /Mama/Milalao fitia/Navelanao/Ny fitiavako / Nankaiza ianao ry lasa/ NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /Izy angamba any

NAVELANAO

Navelanao hanidina aho, hanakatra ny avo
Ka dia nikopak'elatra, nifaly ravoravo
Toy ireny zana-borona miria tsy miahiahy
Nisangy ireny rahona, finaritra am-panahy;
Fa tojo izay niriana, tantan'olon-tiana
Natopatopan-drivotra,tsy nisy fanahiana.

Navelanao hisosa anie ny lakan'hiampitako,
Namakivaky ny onja,niroso tsy mba niato,
Toy ireny  zanak'omby, tsy nila nampianarina,
Nateraky ny rano, ka nofy izay hivarina;
Ka dia nanaram-po, f'anilanao tokoa,
Nidola tsy amin-tahotra, fa herin'olon-droa.

Navelanao hiria aho, fa ts'isy anie ny sakana
Malaka ny lalako, fa tojo anao iharahana,
Toy ireny zazakely, anilan-dreny tiana,
Ny lanitra nandrotsaka 'lay anom-pifaliana;
Ka ampoky ny soa,niadana ao am-po,
F'izay rehetra mamy anie, nitosaka avokoa.

Navelanao hibitaka 'lay nofy tao anaty,
Ka nanantena volana, masoandro tsy ho faty,
Niangaly, nitanisa, maraina tena sambatra,
Nidera sy nihoby, fa voahary feno taratra;
Kinanjo dia nianjera, fa tsy naharitr'ela,
Navelanao hidaboka tsy nisy an-teni-miera.

DADA RABE