ALEOKO
IHANY ATAO HOE ADALA
Impiry izay no
reko ny feo manivaiva
Mamiratra ahy ho adala,tsy marain-tsy hariva...
Ny antony?..Satria tsy mba tahaka ny olona
Mampiseho vahoaka...lazaina ho mpitolona!
Fa ny tolona ny fiainana!Tolona masiaka...
Tsy misy fitarainana! Izany no iainantsika!
Impiry izany no tsinjoko ny tsikim-panesoana
Nataon'ireo sakaizako mba ho fanehoana
Fa efa lany andro ny sori-dalam-piainako
Sokajin'ny efa ntaolo ny toetran'ny fisainako.
Fa ny tolona ny fiainana!Tolona masiaka...
Tsy misy fitarainana! Izany no iainantsika!
Impiry izany no tsapako ny fankahalan'ny havako
Noho ny tsy anekeko hanokatra ny vavako
Miangavy ny olom-pantatro hamadika ny marina
Ka ny hafa tsy ho tafita fa ny ahy no ho tafarina!
Izany izao no iainana!Izany koa no tolona!
Eken'ny fisainana satria ataon'ny olona!
Impiry izany no niainako ny hirifiry anaty
Vokatry ny tranga izay mila tsy ho tanty
Fa firifiry akory no fantatro ireo olona
Manangona harena an-tampon-dohan'olona!
Izany izao no tolona! Izany koa no tolona!
Manao daholo ny olona!eken'ny fisainana!
Impiry izay no hitako tan-dalana nombako,
Na toeram-piangonana, na fanariana fako...
Fa misy famaritana "fananan-tsamirery"
Miala izay tsy tompony!! Verreza izay ho very!
Izany izay no iainana! Manao daholo ny olona!
Eken'ny fisainana! Tolona ka tolona!
Impiry impiry akory ni alaim-panahy aho
Hanao ny ataon'ny maro, hamono ilay "IZAHO"
Mitolona irery, maro mpankahala...
Vereza izay ho very! Aleoko ihany ho adala!
Aleo haneso ny olona
Fa izany ny ahy no TOLONA
J.NALISOA
RAVALITERA