Aleoko ihany atao hoe adala/Ny foko nanidina /Ampamoizamaso /Manan-taona ka tsy fioty manta /Mama/Milalao fitia/Navelanao/ Ny fitiavako / Nankaiza ianao ry lasa /NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /Asa izany/ Asakasakareo/Izy angamba any

NY SORATRO 

Ny soratro,
No hany mba fiononako raha lena ity masoko, 
ka mando koa izato tavako 
Dia ny soratro no havako

Ny soratro, 
No mankahery ity foko 
Raha mitady hitoloko fa resy tamim-piadiana,
Dia ny soratro itokiana 

Ny soratro, 
Amoahako ny hatezerana, mibosesika miserana 
Satria ny soratro ihany no mety hahafehy izany 
Fa ny soratro, 
No itovozako ireo hery,hanasitrana ny fery,
Raha sendra izay maratra, 
Ny soratro eo hampitraka. 
ka io soratro io, 
Ho boiboikan-kafaliana haharesy hakiviana 
Ho soritrin'ny fandresena,sy fifaliana sesehena. 

Eny ho aho ry soratro, 
Fa hanidina ny taona,ary koa irony teny, 
Fa hitoetra kosa ianao ry soratro
Eny rehetra eny 
Ary raha ho faty aho, 
ka ho tapitra ny orako, 
Aoka ianao ho lova soa, 
Ry soratra, ry soratro 

 

LAINA (22.06.95)