Aleoko ihany atao hoe adala/Asakasakareo /Ny foko nanidina /Ampamoizamaso /manan-taona ka tsy fioty manta /Mama/Milalao fitia/Navelanao/Ny fitiavako / Nankaiza ianao ry lasa /NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /Asa izany/Izy angamba any

          

ASA  IZANY.....

Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny,
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga?
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana
Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga!

Ny tsikinao no itiavako fivelaram-bonikazo,
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany?
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra mivazo
Anoloan'ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany!

Tia ny voro-mihira aho fa nandre anao nikalo,
Sa ny vorona mikalo ivetsoako anao mandalo
Nitondra hira tamin'ny fiainako nangina hira taona maro!

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako:
Hatramin'ny niarahantsika dia mientana ny foko
Ka mivetso ny fitiavako. O  antony, fantatro!

                              DOX