Aleoko ihany atao hoe adala/Asa izany/ Asakasakareo/Ny foko nanidina /Ampamoizamaso /Manan-taona ka tsy fioty manta /Mama/Milalao fitia/Navelanao/ Ny fitiavako / Nankaiza ianao ry lasa /NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /Izy angamba any

ASAKASAKAREO

Horakoraka anjaran'ny akanga,
Kalokalo fanaom-boromanga,
F'asakasakareo tsy mitranga!

Dobodoboka fomban'amponga,
Tabataba ny maro kilonga
F'asakasakareo tsy mba tonga!

Rodaroda fanaon-dranotrambo,
Setrasetra no fomban'ny lambo;
Fa ny hanina anao tsy mba tambo!

Jononoka ny erika an'ala,
Patrapatraka ilay patrakala,
Fenofeno ny lavi-malala!

Dinidinika sisa lazaina,
Hafatrafatra anao sombinaina:
Hontsahontsa fa mani-maraina

                                                          NY AVANA