Aleoko ihany atao hoe adala/Asa izany/ Asakasakareo/Ny foko nanidina /Ampamoizamaso /manan-taona ka tsy fioty manta /Mama/Milalao fitia/Navelanao/ Ny fitiavako / Nankaiza ianao ry lasa / NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /Izy angamba any

Manan-taona ka tsy fioty manta

 

Mpiteny

Misondrosondrota, ravoahirana,
Mba hanakarako anao amoron-drano;
Mietretre, ravoamandina,
Mba handraisako anao ambony ahitra.
M ason-tanora miranga ny anay
Ka mifenifeny ny hahazo,
Fon-jatovo miontana
Ka miharana ny mba ho tanana.
Izany anie no farihy manantsika tsiriry
Ka izay mihoripika ihany no manenina

Valiny

Tsy Tankay aho ka tsy hahalala diam-dambo
tsy vahiny ka hatoro lala-mena mihoatra
Fa hianao iky no mpamboly arebin-taona
Ka hitsongo anana vao mitsiry,
Mpandrato tampohin-daviana
Ka manorin-dasy vao vaki-andro
Fa ataonao ho amiana an-tany fady
ka hihintsan-dravina mamaton-taona?
Aleo miala jarika dieny andro, rahavako,
Fa zaza notinaizam-banona ny aty
Ka tsy misaraka andro tsy maoty
Atody vola kotrehin-dreniny,
Ka tsy miala akorany tsy amin-taonany,

TSELATRA ( 26 janvier 1912, tak 3324)

Voamandina= karazam-boasarimakirana
Mifenifeny = Maimay
Mihoripika = Mandà

Amiana = karazan-kazo malailay malaza ratsy ho mahaboka
Miala jarika = ara-bakiteny : miala amin'ny fijajirihana