Aleoko ihany atao hoe adala/Asa izany/ Asakasakareo/Efa fantatrao /Ny foko nanidina /Ampamoizamaso /manan-taona ka tsy fioty manta /Mama/Milalao fitia/Navelanao/Ny fitiavako / Nankaiza ianao ry lasa /NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /izy angamba any

MAMA

Fony teo ianao, izaho mihevitra mihintsy
Fa ampy ahy hatrizao,
Ireo taona vitsivitsy ahafahako mijoro 
Samirery, tsy hatoro !
Manko, lasa ianao tsy tāna,ary tsapako mazāna
Fa manao fanahin-jaza,
Mikavia, solafaka aza,mitady zahatra hamaharana
Toy ny olo-nosomparana ...
Mbetika mirenireny 'ty zanakao tsy misy reny !

Raha tanilanao fahiny
Izany izaho no tsy tamāna,
Miaiky aho ankehitriny :
"Sarobidy ianao ry Mama !"

LILA HANITRA R.