Aleoko ihany atao hoe adala/Asa izany/ Asakasakareo/Ampamoizamaso /Manan-taona ka tsy fioty manta /Nankaiza ianao ry lasa /Mama/Milalao fitia/Navelanao/Ny fitiavako/Ny foko nanidina /NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /Izy angamba any

AMPAMOIZAMASO

tsy mba afaka ao an-tsaiko ilay havoana ,
'Lay fihoarana, 'lay tany fisentoana ;
Eo no fara-fitsinjovana an'iarivo ,
Eo ny dobon-dranomaso dia marivo .

Eo ny fo mitebitebin'alahelo ,
Ny eritreritra mandeha mamelovelo ;
Eo ny sento dia miloatra ka tsy tana
raha mitazana ny tany nialana .

Eny am-paravodilanitra eny, indro ,
Toa havoana rakotr'ala mikirindro ,
Elo rahona no eny mitatao ,
Mahamalomaloka azy toy izao.

Mitampody indray ny lasa fa tsaroana ,
Ka ny havana toa hita manoloana ;
'Ndray miserana eo izany -- toa ankaso
'Zay mitranga hampirotsa-dranomaso!

Vetivety dia atao ny fara-jery ,
'Zay no fara-topimaso, hany hery ;
Kanjo safotra izy mantsy ka mijoy ,
Fa "hilaozana tokoa ilay tsy foy !"

O ! ry vohitro malala, ry akany ,
E ! mamoy anao ny maso ka tomany ,
fa ny foko raha sahirana handao ,
Dia vao maika koa mifatotra aminao .

 

JEAN NARIVONY

(Amboara voafantina, tak, 143-144)