Aleoko ihany atao hoe adala/Asa izany/ Asakasakareo/Ny foko nanidina /Ampamoizamaso /Manan-taona ka tsy fioty manta /Mama/Milalao fitia/Navelanao/Ny fitiavako/Nankaiza ianao ry lasa/NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /Izy angamba any

NY FITIAVAKO

Fitiavana mangina No finidiko ho fitia
Orim-baton'ny dina Amin'ny fiainako doria

Raki-tokana ao anaty Lalaiko mandra-maty
Tsy ananako ahiahy Nefa afeninao ahy

Manantena hatramin'izao Fa efa tia matoky anao
Eny ataoko tsy ho tsiny Ny mahatsiahy ny fahiny

Omban-tsento tany ho any Ka mahatonga ahy hanontany
 Aiza ho aizanao ny foko Maniry ny hiara-dia

                                                         Janvier A ANDRIAMAHARO