Aleoko ihany atao hoe adala//Ny foko nanidina /Ampamoizamaso /Manan-taona ka tsy fioty manta /Mama/Milalao fitia/Navelanao/ Ny fitiavako / Nankaiza ianao ry lasa / NY Soratro/Tafatoetra/Tia/ Tsy maty /Asa izany/ Asakasakareo/Izy angamba any

TAFATOETRA

 

Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko....

Sodokan'eritreritra aho 'zay elabe izay.......
Hetahetan'ny tanteraka, afo mampiolomay
No nandoro ny fisainako! 'zay nenjehiko kanefa
Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?

Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina
Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
Fa mampita hazavana mampionona fanahy......

Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka
Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin'ny ahy!....

DOX